airtel

Sosialy

09-nov-2021

Sosialy

Vidin’ny atody Ahiana ho tafakatra 800 Ar amin’ny fety

Sample post image

650 Ar no vidin’ny atody iray lehibe sy voafantina amin’izao eny an-tsena ankehitriny raha 350 Ar ireo efa misy vaky sy madinika amidy etsy amin’ny tsenan’ny atody etsy Antohomadinika.

09-nov-2021

 Nahitana fiakarany io vidin’ny atody io raha araka ny fitarainan’ny Renim-pianakaviana iray mpivarotra eny an-toerana izay nomarihiny fa hatrany am-potony mihitsy. Noho ny fiakaran’ny vidin’ny provandy no voalaza fa anton’izany. Raha 2.000 Ar mantsy ny iray kilao tamin’ny provandy teo aloha dia efa tafakatra 330 Ar amin’izao. Mahatsiaro ho sahirana tanteraka ireo mpiompy akoho manatody lava noho izany. Misy amin’ireo akora fototra fanamboarana provandy rahateo no fantatra fa hafarana avy any ivelany. Miantso ny Fitondram-panjakana araka izany ireo mpiompy mba hijery izay fomba hifehezana ity vidin’ny provandy ity. Raha sanatria ka tsy voafehy mantsy izany dia nambaran’ireo mpivarotra atody fa nety ho tafakatra hatrany amin’ny 800 Ar ny vidin’ny atody iray amin’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ho avy izao.
Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap