airtel

Sosialy

01-févr-2022

Sosialy

Vokatry ny haratsian-dalana Vidian’ny sasany mora ny vokatry ny tantsaha

Sample post image

Tena mahatsiaro mijaly ireo tantsaha mpamokatra manoloana ny haratsian-dalana eto amintsika. An-kavitsiana mantsy sisa ireo mpanangom-bokatra tonga maka ny vokatr’izy ireo hany ka voatery hamidy mora izany.

01-févr-2022

 

 Ho an’ny vokatra paiso ao Antanifotsy ohatra dia lasa hamidy 1.000 ar ny 25 kg. Rehefa tsy manaiky izany ireo tantsaha dia tsy maintsy ariana.Mety ho simba eny an-dalana ihany koa mantsy ireny paiso ireny no sady lafo ny sara-pitaterana hitondrana azy ka aleo hamidy fatiantoka. Ho an’ny vokatra ovy indray dia 350 ar no hakan’ny mpanangom-bokatra ny iray kilao amin’izao raha havoaka 2000 Ar izy ireny eny an-tsena. Ireo tantsaha mpamokatra ao Manandona no tena mahita faisana amin’izany. Rehefa tsy alefa amin’io vidiny io ihany koka anefa dia lo fotsiny eo am-pitoerana ka aleo hamidy fatiantoka. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana araka izany ireo tantsaha mpamokatra mba hijery akaiky ny zava-misy. Nambaran’izy ireo fa saika manao fampanantenana poakaty avokoa ireo olom-boafidy nandalo teo aminy indrindra fa rehefa misy fifidianana hatao saingy raha vantany vao azon’izy ireny ny toerany dia mijanona ho kobaka am-bava fotsiny izany.

 


Pati
Legende Mijaly noho ny haratsian-dalana ireo tantsaha ! 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

Card image cap
30-avril-2024

Olona miisa 1.250 no lasibatra Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Card image cap
29-avril-2024

Tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Toamasina,

Card image cap
29-avril-2024

Lasa fidiram-bola tsy azo antenaina firy intsony amin’izao ny fandraisana hofantrano isam-bolana,

Card image cap
29-avril-2024

Tany Antsohihy vao hita i Christiano sy ilay mpitaiza azy , zaza faharoa tsy hita tao Mahajanga ny Zoma 26 Aprily lasa teo.

Card image cap