airtel

Sosialy

06-avril-2022

Sosialy

Zaza Ramandimbiarison “Efa tena mamono ny maro an’isa ny tsy fanjarian-tsakafo”

Sample post image

Naneho hevitra momba ny famerana ny vidin’entana ilaina andavanandro (PPN) ny Praiminisitra lefitra teo aloha tamin’ny Fitondrana Ravalomanana ary efa Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny tetezamita.

06-avril-2022

“Misaotra tamin’ny famerana ny vidin’ny PPN kanefa tandremo ihany koa ny tsy fanjarian-tsakafo izay mamono tsikelikely ny Malagasy maro an’isa”, hoy izy. Ekena, hoy izy, fa mety mametra ny herijika hisian’ny fipoahan’ny krizy ara-tsosialy ateraky ny fidangan’ny vidim-piainana amin’ny tanàn-dehibe, saingy tsy hanatsara mihitsy ny zava-misy momba ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny Malagasy maro an’isa. Tena azon’ny Malagasy izay maro an’isa any amin’ny tontolo ambanivohitra ve io vidiny io? Tsia hoy izy. Nahitsy i Zaza Ramandimbiarison nnaneho fa tsy manana ny hoenti-manana ara-bola ahafahana misitraka ireo vokatra nafarana akory ny Malagasy maro an’isa, ary tsy afaka ny hanjifa izany akory satria tsy hita amin’ny fotoana rehetra any amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny fotoana rehetra ireny. Manampy trotraka izay ny fiotazana mialohan’ny fotoana izay mamono antoka, ny fiotazana tsy araka ny tokony ho izy, ny tondra-drano, ny haintany any amin’ny Tapany Atsimon’ny Nosy, ny faharefoan’ny tahiry ara-tsakafo, ny fidangan’ny vidiny,… izay vao mainka mampananosarotra ny zava-misy. Malagasy tsy tambo isaina no zara raha misakafo indray mandeha isan’andro, ary maro aza no mahatratra telo andro tsy mihinan-kanina. Na eo aza ireo ezaka vatsian’ny mpiara-miombon’antoka amintsika atao any amin’ny faritra ambanivohitra, tsy mba nifidy sy tsy nametraka ny tontolon’ny fambolena ho laharam-pahamehana ny Fanjakana fa mitodika any amin’ny sehatra hafa toy ny “services” ho mari-drefy handrefesana ny fandrosoana. Mampihen-danja ny tontolon’ny fambolena ny safidy politika noraisina, ary tsy takona hafenina ny fahabangana goavana ara-pamokarana kanefa io no miantoka fampisakafoanana sy famelomana ny ankamaroan’ny Malagasy, raha haravona ny fanehoan-kevitr’ity tompon’andraikitra ambony teo aloha ity. Aminy ny fampihenana ny famatsiam-bola amin’ny sehatry ny fambolena dia midika fanakanana ny Malagasy maro an’isa hisitraka ny filàna fototra hihinanana. Tsy misy ao anatin’ny Politikan’ny Governemantsa Ntsay ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fambolena, kanefa tokony ho io no ahafahantsika miatrika ny zava-misy, ary tandindonin-doza tsy ho afaka tanteraka mba hamokatra ny filany ara-tsakafo izay tena ilain’ny taranaka fara aman-dimby i Madagasikara, raha izay no mitohy, araka ny fanehoan-kevitr’Atoa Zaza Ramandimbiarison.

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap