airtel

Sport

08-mai-2023

Sport

500 000 dolaran’ny Barea CHAN Ho lasa lavitra ny raharaha raha…

Sample post image

Raha efa nisy tokoa ny fanomezana ny vola, asehoy ary ny sary sy sonia ary ny laharan’ireo kaonty nandefasana azy miaraka amin’ny hoe ohatrinona avy. Izany no resaky ny olona manoloana ny volan’ny Barea CHAN lasa miteraka resabe.

08-mai-2023

Lasa lavitra ny raharaha “prize money” 500 000 dolara izay fankasitrahana sy valin-kasasaran’ny Barea A’ tamin’ny vokatra azo nandritra ny CHAN 2023 teo tany Algérie, izay nahazoantsika ny laharana fahatelo. Nanao antso avo amin'ny Federasiona Malagasy ny Baolina kitra ny Filohampirenena Andry Rajoelina omaly. "Mila ampiana sy tohanana ireo mpanao fanatanjahantena, mahery fontsika...eto dia manao antso avo ho an'ny Federasionina malagasy baolina kitra. Gaga aho raha naheno ny fitarainan'ireo mpilalao hoe tsy nomen'ny Federasiona ho an'ny mpilalao ny prime tokony ho azony. Mendrika omena ireo mpilalao ny Barea sy Mpanazatra ny valinkasasarany, satria izy ireo no niady sy nahazoana ny vokatra. Miangavy ny Minisitry ny Fanatanjahantena mba hijery akaiky an'izay. Omeo ny mpilalao sy mpanazatra ny Prime fa izy ireo no niady, niharitra, niezaka, tsemboka , fa tsy olonkafa tsy niezaka indray no hahazo an'izany." hoy ny Filoha. Tsiahivina fa efa niray feo ireo mpilalao sy « staff » samihafa izay niatrika ny lalao, fa tokony hotantanana amin’ny ara-drariny sy mangaraharaha io, ka nitakian’izy ireo ny tena tokony ho anjarany. Namoaka kosa ny FMF fa narotsaka any amin’ny kaontin’ireo izay rehetra nitondra anjara biriky tamin’ny CHAN ny « Prize money ». Nolazaina fa valin-kasasarana ho an’ireo mpisehatra rehetra niara-nitoto sy nahandro nahamasaka nahafahan’ny Barea tafakatra teo amin’ny laharana faha-3. Singanina manokana amin’izany ny klioba nitaiza sy nikolo ireo mpilalao ka antony nahitan’ny FMF azyy ireo, ny ligim-paritra izay nandrindra ny klioba ahafahan’iz ireo milalao sy manao fifanianana, hoy ny FMF. Noho izany, 30% ihany tamin’ilay vola no voalaza fa nomena ny mpilalao, raha ny filazan’izy ireo. « Mba omeo hasiny ireo mpilalao eto an-toerana, aza miangatra, fa raha « expatriés » no teo tsy nahasahy nanao an'izao ianareo. Aza manao tsindry azo lena !(...) Na resy fihodinana voalohany aza dia nahazo 200 000 dolara ny FMF, fa Noho ny ezaka be nataon-ndry zareo ary ady mafy natao teny ambony kianja nefa dia nahazo 300.000 dolara amboniny ry zareo mpilalao…”, hoy ny Kapitenin’ny Barea teo aloha Faneva Andriatsima. Andrasana izay hafitsoky ny FMF, fa ny sary miseho dia mety ho lasa lavitra ny raharaha raha tsy milamina io ! Efa mandeha hatramin’ny mety hanaovan’ny mpankafy hetsika na « sit-in » eny anoloan’ny Foiben’ny FMF eny Isoraka. Maro kosa ny mpitia kitra no maneho, fa noho ny kajikajy hanambatambazana ny ligy satria akaiky ny fifidianana izay hitantana ny FMF no anton’io. Notsinjaraina ho an’ny Ligue 1, Liga, Bundesliga, sy ho an’ireo klioba nihavian’ireo mpilalao ve ny tambiny azon’ny Ekipam-pirenena Frantsay tamin’ny fahazoany laharana faharoa tamin’ny Mondial 2022 ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap