airtel

Sport

13-juil-2023

Sport

Baolina kitra - Barea Fantatra ireo hanao ny Lalaon'ny Nosy

Sample post image

Ela fa nivoaka ihany ny lisitra navoakan'i Roro Rakotondrabe hofantenana ireo 23 farany hiatrika ny Lalaon'ny Nosy afaka 40 andro.

13-juil-2023

Naninona no mbola 30 ireo nantsoina ary naninona no mbola ve "vazaha". Izany no famontaniana napetrak'ireo mpanohana Barea marobe Saro-baliana ihany fa rehefa tenahalalinina dia misy tsy fahatokisan-tena avy amin'ny mpanazatra. Ho an'ny maro mantsy dia tsy tokony ovaina be ireo nanao manasa-dalana tany Alzeria satria fantatra fa matahotra an'ireo ireo mpifanandrina aminy indrindra ka mbola voatazona ny tanjaka sy ny herin-tsaina. Raha ilay lisitra mantsy dia mbola ao daholo ny 11 tompon-toerana tany amin'ny CHAN afatsy Rakool. Ny fanontaniana dia hoe : ho fenoin'ireo avy any ivelany ve ny toerana satria raha tsy hiteny afatsy ny irakiraka isika dia misy an'i El Haddary ,( Saint Michel United) sy Baggio ( Jeanne d' Arc) ary Rojo Be (Saint Pauloise) ary Ando Pro ( Saint Pierroise). Mbola ao koa i Angelo ( Excelsior) sy Theodin ( Sainte Suzanne). Ny eto an-tanana moa dia ny Fosa Juniors no tena betsaka satria ahitana an'i Fabrice, Nicolas, Andry Max, Tsiry, Mika, Veve ary Jean Yves. Efatra kosa ireo Elgeco na dia tsy tazana loatra aza tamin'ity taom-pilalaovany ity aza dia i Nina. Tony, Datsiry ary Jean Aimé. Telo koa ny avy ao amin'i Disciples satria ankoatra an'i Tantely sy Tendry dia nantsoina koa i Andy. Telo ny AS Fanalamanga ahitana an'i Tsalo, Rado ary Onja .Roa sisa ny CFFA ahitana an'i Dadafara sy Lalaina. Iray avy ny ambiny ka i Berajo (JET), Mahavy ( MAMA), Toky ( COSFA ary Feno (Ajesaia).
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap