Nanomboka ny voalohan'ny volana aogositra teo ny fampivondronana.
Raha efa mahazatra ny ankamehana toy izao dia vao maika tsy azo no nataon'ireo tomponandraikitra satria dia feno 45 ireo voantso.
Tena mbola tsy misy toy izao hatramin'izay. Fantatra anefa fa tsy mahazo mihoatra ny 23 ireo mpilalao isaky ny firenenana mandray anjara. Raisin'ny Afrikanina Tatsimo anefa ny falpiantranoana sy ny sakafo ho an'ny delegasiona miisa 25.
Izany hoe miato-tena ireo mihoatra.
Izay no fandaminana fa ny somary mahagaga dia toa 7 ihany amin'ireo 45 no mpilalaon'ny Disciples FC izay Tompondakan'i Madagasikara farany teo
Misy mihitsy aza ireo mpilalao tena tsy tazana tany Antsirabe
Dia ho hita eo no tohina ary enga anie ka tsy misy hifandraisainy amin'ny fifidianana ho avy eo anivon'ny FMF izao fihetsika hafahafa izao.
Clément RABARY
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,
Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,
Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo
Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny