airtel

Sport

07-juil-2025

Baolina kitra

Nodimandry Randrianantenaina Angelo Fernand

Sample post image

Taorian’i Jean Claude Marobe na Lolody, mpilalao kitra Malagasy mbola tao anatin’ny

07-juil-2025

maha mpilalao matihanina izay nodimandry ny faran’ny herinandro teo, dia nindaosin’ny fahafatesana ihany koa Randrianantenaina Angelo Fernand. Mpilalao fahiny nanana ny naha izy azy teo amin’ny sehatry ny baolina kitra malagasy, indrindra tao amin’ny ekipam-pirenena “Scorpions de Madagascar”. Nandalo klioba maro izy, ka anisan’izany ny Islam Sport, FC Djivan Farafangana, Club S Namakia, US Beau Bassin de Rose Hill sy Olympique de Moka tany Maorisy, ary FC Kintan’i Boeny teto an-toerana. Tamin’ny taona 2018, dia izy no kapitenin’ny ekipam-pirenena Malagasy Futsal, ary vao haingana tamin’ny volana aprily 2025, dia voatendry ho mpanazatra mpanampy ny ekipam-pirenena Futsal vehivavy nandray anjara tamin’ny CAN Futsal. Ankoatra izany, mpikambana mavitrika tao amin’ny Komisiona Beach Soccer & Futsal eo anivon’ny FMF (Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra) ihany koa izy.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

09-févr-2026

Etsy amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina

Card image cap