moana ny fanapahan-kevitra noraisina ny amin'ny hitazonana indray ny Tia Kitra sy ny JET Kintana tsy hivarina any amin'ny diviziona faharoa araky ny lalana mifehy ity fifaninana ity hatrany am-boalohany. Mampieritreritra ihany hoe toa lasa akamakama izany ny fitondrana ny raharaha. Fantatra mantsy fa i Lova Ramisamanana no tompon'ny JET Kintana ary filoha lefitry ny Pro League no filoha mpanorina ny Tia Kitra. Tena vakiana fotsiny ity fanampahan-kevitra ity toy ny nampiarahana ny Elgeco Plus sy CFFA tao amin'ny vondron'ny gana malemy tamin'ny taon-dasa. Miandry ny KFC Antsiranana sy Inate Antsirabe indray izany ireo misehatra amin'ity Pro League ity. Ary dia mbola inoana fa hizara vondrona atsimo sy avaratra indray na dia fantatra izao aza fa tsy hampivoatra izany satria mbola tsy ampy ireo lalao ho an'izay tafita any Afrika. Dia mbola ho dingana voalohany dia ho vita toy ny Elgeco farany teo na dia efa nangonina daholo aza ireo heverin'ny mpanazatra Jimmy Radafison Koundé ho tsara. Ankoatra an'i Nina dia mbola tao koa ireo Barea nahitana an'i Datsiry sy Tony ary mbola nampiana an'i Feno ilay mpanafika avy ao amin'ny Ajesaia fa dia ny teo ihany no teo satria dia teo Mahamasina ihany no resy rehefa avy nanao sahala tany ivelany. Misy tsy milamina izany ny fomba hitantana ny Pro League, indrindra moa fa natao hanamorana ny fandraisana anjara any Afrika no antom-pisian'ity Pro League ity araky ny namolavolain'ny filohan'ny Federasiona teo aloha Arizaka Rabekoto Raoul azy. Mivaona amin'ny fifanarahana izany raha izao fandehany izao satria efa tsy izy izany fiadiana ny tompondakana tsy misy ekipa mivarina izany. Sao dia tokony haverina amin'ny FMF ihany ary satria ampy hanomezana sazy izao fanaovana akamakama izao. Mivonona amin'izany ve anefa ny filoha Alfred Andriamanampisoa izay namana akaiky ny filohan'ny Pro League Tota Henintsoa Rakotoharimanana ?
Clément RABARY
Sary fanehoana
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,
Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,
Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo
Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny