airtel

Sport

09-mars-2023

Sport

Barea Ny mety ho endrik’ireo hijoro

Sample post image

Raha betsaka ireo irakiraka dia toa azo vakiana sahady ny tian'i Nicolas Dupuis ahatongavana. Raha izao mantsy no fisehony dia mety ilay fipetraka lasa be mpanao amin'izao fotoana dia ny 4-1-4-1.

09-mars-2023

Indro ary omena anao ny valin'ny fanadihadiana nataon'ny ekipan’ny Tia Tanindrazana.
Avy aoriana ary avy any havia miankavanana. Nina-Tantely, Berajo, Datsiry, Dadafara- Ando Pro- La Poussin, Rayan, Ilaimaharitra, Rakool- Jean Yves Mety mbola mahita tsara noho io i Nicolas Dupuis fa raha ny fiovana mety hitranga miakina amin'ny heriny amin'izao dia mety ho Boto no eo amin'ny toeran'i Datsiry ary Njiva no misolo an'i Lalaina. Fa na izany na tsy izany dia ireo aloha no azo ampiadiana raha te handresy ny Centrafrique. Misy koa aza mieritreritra hoe maninona moa raha tonga dia atao lohany i Rayan Raveloson dia i Amada no irakiraka. Samy manana ny eritreriny fa ny tanjona dia ny hananana hery hanohitra ireto Centrafrique ireto izay hiantehitra amin'ny traikefan'i Kondogbia, ilay irakiraka milalao ao amin'ny Atlético Madrid.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap