airtel

Sport

06-déc-2023

Basket 3x3

Mbola tokony hahavita tsara kokoa ny Malagasy

Sample post image

Fahatelo teo amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika ny Ankoay lahy sy vavy.

06-déc-2023

Efa tsara na dia fantatra aza fa tokony ho tsara noho izao ny vokatra indrindra fa ny lehilahy izay efa nisalotra ny anaram-boninahitra. Saingy ny indro kely dia tsy afaka nanome 100 isan-jato izy ireo noho ny faharerahana tany amin'ny Elita 16 tany Johannesburg. Tena mahay anefa ny Malagasy matoa mbola tafiditra ho isan'ny mpilalao telo mendrika indrindra i Elly Randriamampionona sy Muriel Hajanirina. Mbola nampiditra baolina betsaka ihany koa i Sydonie Andtiamihajanirina. Ary raha izay no fitinina dia tokony ny Ankoay lahy sy vavy no ho tafita any amin'ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris. Inona izany no antony tsy nahatratrana izany tanjona izany ? Raha ho an'ny lehilahy aloha dia eo ilay faharerahana tany Johannesburg fa amin'ny ankapobeny aloha dia ilay rafitra mihitsy no diso. Aiza moa no handeha raha hanenjika bitro roa satria sady manao any amin'ny 5x5 no manao 3x3 ry Elly Randriamampionona, Livio Ratianarivo ary Arnol Solondrainy. Mitovy amin'izay ihany koa ny vehivavy raha tsy hiteny afatsy ireo tany Le Caire farany teo toa an'i Muriel Hajanirina, Sydonie Andtiamihajanirina, Christiane Jaofera ary Sarobidy Randriatahiana izay mbola hita any amin'ny 5x5 ihany koa. Ny tena fanao eran-tany anefa dia tsy mifangaro mihintsy ireo mpilalao ireo ary tamin'ny fifanarahana voalohany nandritry ny Lalaon'ny Nosy aza dia voafaritra mazava izay fisarahana izay saingy nangataka ny sasany ary isan'izay ny Malagasy dia rava ilay izy. Izany eo ihany fa raha te ahita vokatra tsara amin'ity basket 3x3 ity dia tokony haparitaka eran'ny nosy ity ary hatao isan'ambaratonga ny fifaninana. Tsy dia sarotra rahateo ny mamorona ny kianja fa teny amin'ny arabe malalaka toy ny natao tany Antsirabe aza dia mety . Mbola hisy fifanintsanana holalovana izao ny mahakasika ny Lalao Olaimpika 2024 ary heverina fa mbola misy tsara ny hery ho enti-miatrika izany saingy mila apetraka mialoha ny safidy ho an'ny mpilalao tsirairay. Raha ny marina dia tokony hijanona 3x3 ry Elly sy Muriel.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap