airtel

Sport

26-sept-2023

Depiote Todisoa Andriamampandry

Nanohana ny Club ASA Ambohimanarina hiatrika ny “Top 16”

Sample post image

Nidina ifotony ary nanampy ireo solontenan’ny klioba amin’ny taranja rugby izay natao tao amin’ny Kianja Malacam

26-sept-2023

Antanimena ny Depiote Todisoa Andriamampandry ny faran’ny herinandro teo. Izy ireo izay manomana ny hiakarana amin’ny TOP 16, ka manana solontena amin’izany ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo amin’ny alalan’ny Club ASA Ambohimanarina. Io klioba io no hiaro ny voninahitr’ity boriborintany ity, ka nankahery ireo mpilalao voafantina amin’izany io olom-boafidy sady mpiahy ny taranja rugby sy ny fanatanjahantena samihafa ity. “Ny olana ho an’ny rugby, na football, na basketball, dia ny tsy fahampian’ny fitaovana. Miezaka hatrany manampy araka izay tratra”, hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry. Nomarihiny fa mitohy ihany koa ny “Tournoi AMBOMA CHAMPION’S TODISOA RUGBY” ary hanolorana omby mifahy sy “maillots” ary fitaovana ny tenany ao anatin’izany. Manohana hatrany ny fanatanjahantena mba ho fampivelarana ny tanora ka tsy haharoboka azy ireo any amin’ny zava-dratsy toy ny fidorohana zava-mahadomelina moa ny depiote Todisoa Andriamampandry, ankoatra ireo asa sosialy samihafa ataony mba hampivoarana ny sosialim-bahoaka, izay mifanindran-dàlana amin’ny asa maha olom-boafidy mpanao lalàna azy.
Toky R


 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap