poa-droa niaraka tamin'i Mitia Voavy. I Toky Ranaivo indray dia resin'ilay Frantsay Florent Bax. Raha tsorina dia tsara ny vokatra ary isan'ny angady nananana izany ny mpanazatra Dina Razafimahatratra izy mipetraka any Afrika. Any Libreville no marimarina kokoa fa noho ny fiangavian'ny federasiona dia tonga izy. Ary tsy hoe tonga fotsiny fa mbola nahazo fampanantenana tamin'ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa ho azony ny vidin'ny tapakila nandehanany taty. Saingy tsy i Lalatiana Rakotondrazafy moa no miandraikitra izany fa i Rosa Rakotozafy izay Tale mpanatanteraka ny Lalaon'ny Nosy dia tsy azo ohatra ny volan'i Dolys Randriamarohaja io ka mahatonga ny tsipy kanetibe ho voasazy. Hanainga hody anio moa i Dina Razafimahatratra ka mety tsy ho azony intsony ny 660 000 Franc CFA nandoavany ny tapakilan'ny fiaramanidina. Ny amin'ny sisa no tsy atao intsony, hoy i Dina nitsiky satria tonga mba hanavotra ny tennis sy Madagasikara.
Clément RABARY
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,
Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,
Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo
Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny