airtel

Sport

03-août-2026

FC Rouge

Mangataka fampanarahan-dalàna

Sample post image

ny famindrana mpilalao

03-août-2026

Namoaka fanambarana ny sabotsy teo ihany ny klioban'ny baolina kitra malagasy, FC Rouge fa nanoloana ny vaovao tamin'iny sabotsy iny, izay nilaza fa niala tampoka tao amin’ny FC Rouge ny iray amin’ireo mpilalao efa nokaramain’ny klioba ka nandeha ho any Seychelles hanatevin-daharana ny Côte d’Or FC, dia maneho ny ahiahiny sy ny fanontaniany ity klioba ity. Hatramin’izao dia tsy nisy fampahafantarana ofisialy na fifampidinihana nataon’ilay mpilalao tamin’ny klioba mialoha ny fiaingany kanefa efa tao anatin’ny fifanarahana sy ny tetikasan’ny FC Rouge izy. Noho izany dia mametraka fanontaniana ny FC Rouge raha mbola fantatry ny Federasionina sy voarakitra ho mpilalaon’ny FC Rouge ny klioba nilalaovany farany. Ahoana no ahafahany miala sy miroso amin’ny dingana mankany amin’ny klioba any ivelany nefa tsy misy fifampiresahana na fanarahana ny fomba fanao ara-dalàna? Tsy manohitra ny nofinofin’ny mpilalao hivoatra sy hilalao any ivelany izahay, hoy ity klioba ity. Mifanohitra amin’izany aza, manohana izany tanteraka ny FC Rouge saingy mino izahay fa tokony hatao amim-pahitsiana, amim-pangaraharana ary amin’ny fanajana ny fifanarahana sy ny zon’ny klioba nandray sy nanohana ny mpilalao. Mangataka fanazavana amin’ireo tomponandraikitra mahefa ny FC Rouge, mba hahafantarana mazava ny dingana tokony harahina amin’ity raharaha ity sy hiantohana fa hajaina ny fitsipika mifehy ny famindrana mpilalao, hoy hatrany ny FC Rouge.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

CFFA handray ny Lijabatho FC,

Card image cap
06-août-2026

Nandresy tamin'ny mokafoy 68-65

Card image cap