airtel

Sport

03-févr-2025

Hakim Abdallah

Miverina misongadina indray

Sample post image

Miverina misongadina indray, nahatafiditra baolina miisa 2 ny alin’ny zoma teo

03-févr-2025

ilay lohalaharana malagasy, Hakim Abdallah, izay mifaninana anatin’ny tompondakan’ny baolina kitra divizionina voalohany ao Romania, miaraka amin’ny ekipany dia ny Dinamo Bucarest. Nandresy an-jaridainan’olona tamin’ny isa 1 noho 3 moa tamin’ity alina ity ry Hakim sy ny namany raha nihaona tamin’ny Slobozia teo amin’ny andro faha 24n’ny fifaninanam-pirenena ao Romania. Ny Dinamo no nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha 35 saingy voasahalan’ny tompon-trano ihany avy eo ny isa tamin’ny alalan’i Gele, teo amin’ny minitra faha 43 ka io isa 1 noho 1 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tsy afa-bela tamin-dry Hakim nefa ry Gele fa nampidi-baolina fanindroany indray ny lohalaharana malagasy teo amin’ny minitra faha 82 ary mbola nanamafy ny fandresen’ny Bucarest teo amin’ny minitra faha 92 koa aza avy eo i Selmani rehefa nahazo penalty. Miverina misongadina indray, araka izany, i Hakim Abdallah ao amin’ny kliobany. Asa hoe hanao ahoana kosa no ho tohiny ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea ao anatin’izao faha 27 taonany izao. Hitohy hisongadina toy ny any amin’ny klioba ve sa ho toy ny efa hita hatramin’izay ihany? Raha mbola ho voaantso hanatevina ny ekipam-pirenena moa izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)

Card image cap
13-juin-2025

Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe

Card image cap
12-juin-2025

Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’

Card image cap
12-juin-2025

Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,

Card image cap