airtel

Sport

24-juil-2023

Sport

Hatrany amin’ny fanatanjahantena Halatra no mameno ny firenena

Sample post image

Savorovoro be tsy misy ohatran’izany hatramin’ny omaly no mitranga eo anivon’ny tontolon’ny taranja basikety noho

24-juil-2023

ny fisian’ny ahiahina fangalaran-taonan’ny klioba sasany nandritry ny fifaninanana nasionaly eo amin’ny taranja ara-panatanjahantena ity ho an’ny latsaky ny 14 taona na U14. Teo amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny fifaninanana moa, raha tsiahivina, no tena ivon’ny savorovoro raha toa ka tsy nanaiky ny hifanehitra tamin’ny ekipan’ny SAC ny JCSA noho izay ahiahina hala-taona izay. Naneho ny alahelony ireo ray aman-drenin’ny mpilalao ary niezaka nanazava koa ny teo anivon’ny federasionina na ny FMBB. Nisy voambolana noraisin’ireo ray aman-dreny ho naman’ny fandrahonana nataon’ny federasionin’ity taranja ity tamin’izy ireo mihitsy aza moa saingy tsy nanakana ny tsikera mamaivay avy amin’ireo ray aman-dreny hatrany izany. Hatrany amin’ny fanatanjahantena, ahenoana fangalaran-taona. Any amin’ny fanadinam-panjakana ahenoana halatra laza adina. Any anaty biraon’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany, ahenoana halatra volamena. Ny sampan-draharaham-panjakana maro koa ahenoana fangalaram-bola na fanodinkodinam-bola. Any amin’ny fifidianana ahenoana foana ny hoe fangalaram-bato na hala-bato. Ny fangalaram-bato, fangalaran-tany, fangalaran’omby, fangalaran-taova, fangalarana taolam-paty sy ny maro hafa sesehena dia tsy misy azo amehezana azy ankoatran’ny hoe halatra no mameno ny firenena.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap