airtel

Sport

17-avril-2025

Inter Medias – Iray eny ankianja »

Mitohy ny fisoratana anarana ho an’ireo orinasa Haino vaky jery

Sample post image

Mitohy ary tsy hifarana raha tsy ny faha 22 aprily izao ny fisoratana anarana amin’ny lalao

17-avril-2025

izay natokana hoan’ny mpanao gazety sy ireo mpiasa amin’ny orinasa Haino vaky jery. Taranja miisa 3 dia ny baolina kitra ny Baskety ary ny tsipy kanetibe no hifaninanana mandritra ny androan’ny sabotsy 10 may 2025. Hoan’ny taranja baolina kitra dia fifaninanana natokana hoan’ny olona fito noh ho atao ka toy izao ny fepetra. Ny ekipa iray dia ahitana mpilalao 14 miampy mpanazatra iray ho an'ny foot à 7 Lehilahy, toy izay koa ny sokajy vehivavy. Hoan’ny taranja baskety lehilahy sy vehivavy miaraka indray dia mpilalao 12 miampy amin'ny mpanazatra iray izay tsimaintsy ahitana vehivavy. Hoan’ny tsipy kanetibe kosa dia nisy fiovany ny fepetra araka ny fanagatahan’ny mpandray anjara ka natao hoan’olona roa ny fifaninanana fa tsy hoan’olona telo intsony. Hentitra ny fepetra noraisina amin’ity andia ity hoy ireo mpikarakara mba ireo tena mpanao gazety matianina ho handray anjara feno amin’ity fifaninanana ity ka ny taratasy fisoratana anarana feno sy tsy misy diso ary voasonia dia alefa mailaka irery ihany amin'ny intermedias.ojm@gmail.com. Mila sary tapaka 4x4 mazava tsara tsy latsaky ny 3 volana (alefa miaraka amin'ny taratasy fisoratana anarana miaraka amin'ny soratra mazava tsara ny anarana sy ny taranja ifaninanan'ilay olona amin'ny sary. Dika mitovy miloko ny karatra OJM na karatra ao am-piasana. Fanamarinanana ny maha mpiasa iombonana ho an’ireo mpilalao rehetra isaky ny orinasan-gazety. Ny fisoratana anarana dia efa nisokatra ny alarobia 26 martsa 2025 ka tsy hifarana raha tsy ny talata 22 aprily 2025 amin'ny 12 ora alina.
Solotiana
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap