airtel

Sport

29-juin-2026

Judo_Open de Johannesburg

Nandrombaka medaly

Sample post image

volamena i Kevin Ralevazaha

29-juin-2026

Nampiakatra avo ny voninahitr’i Madagasikara indray i Kevin Emilson Ralevazaha tao amin’ny Open de Johannesburg, izay nandrombaka medaly volamena tamin’ny sokajy juniors -66 kg. Tsy resin’iza n’iza izy fa tena nandravarava izy nandritra ny fifaninanana, izay nandresy an’i Sinqobile Shongwe avy any Afrika Atsimo, avy eo an’i Sandile Ndlovu avy any Zimbabwe, ary tamin’ny famaranana dia nandavo an’i Llewellyn Jones (Afrika Atsimo) ka nibatany ny anaram-boninahitra lehibe. Manan-danja tokoa ity fandresena ity satria manampy ny isa iraisam-pirenena ho an’i Kevin Emilson Ralevazaha, izay hanamafy ny fandrosoany eo amin’ny sehatra manerantany. Etsy ankilany, mbola nisy fahombiazana iray hafa ho an’i Madagasikara satria nahazo medaly alimo tamin’ny sokajy cadets -50 kg i Hasina Andraina Randriamiary. Na vao fifaninanana iraisam-pirenena voalohany aza ny azy, dia efa nahavita vokatra ma-hafinaritra izy, manaporofo fa misy tanora vaovao misondrotra vonona hanohy sy hampiakatra avo ny tantaran’ny judo malagasy. Raha fintinina, ny vokatra azo dia manaporofo fa mamiratra ny hoavin’ny judo malagasy eo amin’ny sehatra afrikanina sy manerantany.
Toky R
 

Dans la même rubrique