airtel

Sport

09-févr-2026

Kitra Ma-hery futsal

Ny 22 febroary izao no andiany voalohany

Sample post image

Etsy amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina

09-févr-2026

no hanatanterahana ny hetsika Kitra Ma-hery futsal, izay kitra anaty efitrano manomboka ny 22 febroary izao. Araka ny fanazavan'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ity hetsika ity teny an-toerana ny sabotsy teo dia tsy hifarana raha tsy ny 1 marsa ho avy izao ny fifaninanana. Ireo sekoly ambony rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina no afaka mandray anjara. 2 tapitrisa Ariary no miandry ny mpandresy eo amin'ny lehilahy raha 1 tapitrisa Ariary kosa ho an'ny vehivavy. Ankoatra ny fanatanjahantena dia hisy ihany koa ny dihy an-tanan-dehibe sy ny fifantenana izay tovovavy tsara bika sy tarehy sy tovolahy tsara bika sy tarehy. Noferana ho 3 ihany ny isan'ny mpilalao matihanina eo amin'ny "Pro League", izany hoe ireo matihanina amin'ny kitra, mahazo mandray anjara raha manana karatra maha mpianatra sy taratasy manamarina fa mpianatra marina izy saingy 2 ihany no mahazo miara-miakatra kianja. Ny fikambanana Fief Mada na Fifankatiavana sy Ezaka Fampandrosoana an'i Madagasikara, tarihin'ny filohany, Raharijaona Jean François, moa no mikarakara ity hetsika andiany voalohany ity, raha ny fampitam-baovao sy fampahatsiahivana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Misy komity milaza hikarakara fifidianana

Card image cap