airtel

Sport

11-sept-2023

Kitra teny Ampasamborona

Ambohidroa-Avaratetezana

Sample post image

Nanolotra omby, ondry, ary vola indray ny Depiote Todisoa

11-sept-2023

Nafotaka indray ny ady baolina kitra teny amin’ny ao anatin’ny Boroborintany faha-6 Ambohimanarina ny andron’ny omaly alahady 10 septambra 2023. Ny depiote Todisoa Andriamampandry no mpiahy izany, ka tahaka ny mahazatra dia nanolotra omby mifahy sy ondry ary lelavola ho an’ireo tafakatra lalao famaranana ny tenany. Tsy vitan’izay, fa tena mpandray anjara mavitrika satria dia isan’ireo mpilalao niakatra teny ambony kianja mihitsy ity solombavambahoaka ity. “Mankasitraka ireo Club nandray anjara rehetra sy ireo vahoaka maro be tonga nanotrona. Miarahaba ny Ejeda Special Anosisoa nahazo ny omby ary mankasitraka koa ny “7 Frères”-n’Antehiroka nahazo ny laharana faharoa. Ho avy tsy ho ela indray ny manaraka ho an’ny taranja rehetra e!”, hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry. Tsara ny manamarika fa vao ny 27 aogositra teo no nisy ihany koa ny lalao baolina kitra lehibe teny Ambatolampy Ambohimanarina) ka efa nisy ihany koa ny fanolorany omby, ondry, lelavola, kalisy, baolina ho an’ireo ekipa rehetra tafakatra tamin’ny dingana ambony. Manamafy hatrany ny fanohanany ireo mpitia fanatanjahantena ny depiote Todisoa Andriamampandry, ankoatra ireo asa sosialy maro samihafa ahafantarana azy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap