sy ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Faritra Atsinanana, nandritra ny lalaon'ny ASIEF, tao amin'ny kianja mitafo Stadium Soavita Toamasina. Ny taranja basket-ball sy volley-ball no nifanandrinan'ny roa tonta ka nandrombahan'ny Governemanta ny fandresena: 30-25 ho an'ny basket-ball ary 2/1 ho an'ny volley-ball. Fotoana ihany koa ny io omaly io, nanoloran'Andriamatoa Praiminisitra omby velona roa sy vary iray taonina ho an'ny ASIEF, hoy ny fampitam-baovao. Hita ho velovelom-bolo sy tafiditra tsara tao anatin’ny ambiansy ny mpikamban’ny governemanta, eny fa na ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa aza toa adinodinony hatramin’ny fahataperan’ilay fe-potoana 3 herinandro nomen’ny Filoham-pirenena hanafoanany ny delestazy!
Toky R
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,
Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,
Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo
Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny