sokajy vehivavy, rehefa tsy nahita akanjo hafa loko hifanandrinana amin’ny ekipam-pirenena Malagasy na Ankoay ny alahady teo. Lalaon’ny frankofonia 2023 atao atsy Kinshasha, Kongo, eto no resaka. Anjaran-dry zareo Tonizianina, raha ny fitsipi-dalao no tokony hisolo fanamiana na “maillot” satria mandray lalao, raha ny fanazavana, saingy tsy nahita solony ka dia voatery nanaiky ho resintsika malagasy tamin’ny isa 20 ka nahatonga ny Ankoay vehivavy ho eo amin’ny laharana faharoa ao amin’ny vondrona C misy azy. Efa fanamiana fanaovana fanazaran-tena moa no nanaovan’ireto mpilalao tonizianina ireto nandritry ny lalao naha resy azy ireo tamin’ny isa 52-61 nanoloana an’i Kameronina. Hiatrika ny ampahefa-dalana, araka izany, ny Ankoay vehivavy ho amin’ity talata 01 aogositra 2023 ity amin’ny 8ora alina ora Malagasy, ka inoana sy antenaina fa mba tena handresy amin’ny alalan’ny fahafaha-mampiseho ny tena fahaizany amin’izay mba handiso ny fiheveran’ireo mpanenjika azy ho natosiky ny vintana. Alefa Ankoay! Ankoay ny anay!
J. Mirija
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,
Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,
Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo
Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny