Vonona tanteraka ireo atleta malagasy amin'ny taranja "Kick boxing" hiatrika ny andiany faha 11 amin'ny lalaon'ny nosy 2023 hatao eto Madagasikara manomboka ny volana aogositra hoavy izao, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Manatanteraka fampivondronana etsy amin’ny Castello Motel Anosizato nanomboka ny tapaky ny volana jolay ity ireo mpiangaly "kick boxing" malagasy. Haharitra hatramin’ny 22 Aogositra izany fampivondronana izany hiomanan'ireo mpanao hiady mandrafitra ny ekipam-pirenena hiaro ny voninahitr'i Madagasikara mandritra izany lalaon’ny nosy izany. Nitsidika ireo atletantsika amin'ny taranja "kick boxing" nandritra ny fanazarantenan'izy ireo teny Mahamasina ny sabotsy 29 jolay 2023 ny delegasionina notarihin'ny minisitry ny angovo sy akoran'afo, Solo Andriamanampisoa, amin'ny maha mpiahy ny taranja "kick boxing" mandritra ny lalaon'ny nosy. Nanolotra fitaovana toy ny "gants de boxe", "protèges tibias", aro-loha ny tenany. Nanome tosika ara-tsakafo sy ara-batana ary herijika moraly. Fanohanana sy fampirisihina goavana no natao ho azy ireo, fampanantenaina koa fa ho aterina amin'ny herinandro hoavy io ireo akanjo (tenue de combat, survêtement, tenue de sport). Fandresena anaty firaisankina sy fahasamihafana no tanjona, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo.
J. Mirija
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,
Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,
Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo
Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny