airtel

Sport

25-août-2023

Sport

Lalaon’ny nosy Voasivana indray ny mpanao gazety

Sample post image

Toy ny tranga niseho raha nandray ny fihaonana an-tampon’ireo firenena afrikanina mifandraharaha ara-barotra aty

25-août-2023

amin’ny tapany atsimon’i Afrika na COMESA ny taona 2016 dia miha mafy indray ankehitriny ao anatin’izao lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina atao eto Madagasikara izao tsy fanohitohinana ny mpanao gazety manatanteraka sy hanao ny asany. Voasivana indray ny mpanao gazety, raha tsorina, ary mafy noho ny tamin’izany 8 taona lasa izany aza no zava-miseho ankehitriny satria raha tamin’izany fotoana no nisy fanakatsakanana tsy hampita vaovao amina lafin-javatra maromaro dia tamin’ity tena nolavina mihitsy ny fangatahana alalana nataon’ireo orinasa an-gazety sasany maniry ny hampita izany vaovao momba ny lalaon’ny nosy izany, raha ho an’ireo mpanao gazety anaty vondron’orinasa Vidy varotra manokana fotsiny no resahana. Misy orinasa an-gazety sasany anefa am-polony ireo mpanao gazety navela hanangom-baovao eny amin’ireo kianja hanatanterahana ny lalaon’ny nosy eto Madagasikara. Asa indray izay ho fiantraikan’izao zava-misy izao amin’ny fahalalahana maneho hevitra sy mampita vaovao eto Madagasikara eo amin’ny filaharana iraisampirenena taorian’ireny fahaverezantsika toerana 40 isa mahery be izao tao anatin’ny roa taona ireny aloha fa dia tena fanivanana fotsiny tsotra izao na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe “discriminition” no miharihary.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap