airtel

Sport

07-juil-2025

Licence CAF

Ekipa malagasy miisa 6 no nahazo

Sample post image

Ekipa malagasy miisa 6 mifaninana anatin’ny PFL na ny fifaninanam-pirenena ho an’ny

07-juil-2025

divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra eto Madagasikara no nahazo ny fahazoan-dalana avy amin’ny kaonfederasionina afrikanina na «Licence CAF» ho an’ny taom-pilalaovana 2025 - 2026, raha ny fampitàm-baovao voaray ny sabotsy teo. Fahazoan-dalana izay mamela ireo klioba nahazo izany handray anjara amin’ny fifaninanana eo amin’ireo klioba afrikanina mpikambana anaty CAF izy io. Na dia mitarika sy mafy ao anatin’ny Telma Coupe de Madagascar sy ny PFL 2024 – 2025 aza ny ekipan’ny COSFA dia ahiana ho tsy afaka handray anjara amin’izany fifaninanana iraisampirenena izany, eny fa na dia nahazo anaram-boninahitra miisa 2 aza tao anaty fifaninanam-pirenena natrehiny noho ny tsy fananany io «Licence CAF», raha ny angom-baovao voaray ny sabotsy teo hatrany.
Nangonin’i J. Mirija 

Dans la même rubrique

09-févr-2026

Etsy amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina

Card image cap