airtel

Sport

18-août-2023

Sport

Lomano Efa eo Ampefiloha ny Malagasy

Sample post image

Manana tombony ireo mpilomano malagasy hiaro ny voninahitr'i Madagasikara.

18-août-2023

Efa etsy amin'ny dobo filomanosana etsy Ampefiloha tokoa mantsy izy ireo no manohy ny fanazarantena avy tany Toamasina. Efa misy rano mafana ity dobo ary efa fandresena ho an'ny Malagasy izany satria afaka mampiasa izany mandava-taona amin'izay. Raha tsy hoe natao vonjy tavanandro hamonjena ny Lalaon'ny Nosy fotsiny ilay izy. Fantatra mantsy fa mila herinaratra sy fitaovana fanadiovana ny rano izay tena lafo. Ny fifaninanana avo lenta anefa fantatra fa tokony tsy mitsahatra amin'izany fanazarantena izany.Tombony ho an'ny mpilomano eto anivon-tany izay mandrafitra ny 80 isan-jaton'ireo mpilomano anaty ekipa nasionaly.Miandrandra medaly volamena izany indrindra ireo niofaba sy nandray anjara tamin'ny fifaninana tany ivelany toa an'i Jonathan Raharvel sy Idealy Tendrinavalona ary Holy Antsa Rabejaona.
Clément RABARY


 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Tontosa omaly ny antsapaka mikasika ny fizaram-bondrona amin’ny Fiadiana ny CHAN 2024.

Card image cap