lalaon’i Espagne sy Cap Vert alina tao Atlanta ho an’ny Vondrona H. Na dia nanana nanindry 75% tamin’ny fitazonam-baolina sy nahavita 27 « tirs » aza i Espagne, dia tsy nahakobana harato. Ny Cap-Verdien izay vao sambany mandray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, saingy azo lazaina ho nahavita nanohitra tamin’ny fahaiza-miaro sy fandaminana hentitra. Tsy nahavita nandrava ny “bloc défensif” napetraky ny “Tubarões Azuis” na ny “Requins Bleus” ny La Roja na dia nidiran’i Lamine Yamal aza tany amin’ny faha-70 minitra. Nisongadina ihany koa ilay mpiandry harato Vozinha izay efa 40 taona, andraresin’ny ekipa Cap-Verdien. Isa iray sarobidy ho an’ny Cap-Vert no azo tamin’ny fidirana voalohany amin’ny Mondial 2026. Azo lazaina ho fanambohana ratsy ho an’ny Espaniola izay sokajiana ho isan’ny ekipa goavana indrindra amin’ity fifaninana ity. Amin’ny ankapobeny, ny solontena afrikanina 10 amin’ity Mondial 2026 ity dia efa nampiseho fa afaka manohitra sy manaitra ny tontolo iainana iraisam-pirenena. Raha fintinina, i Afrique du Sud no ratsy fanombohana, izay resy 0-2 nanohitra an’i Mexique tamin’ny lalao fanokafana. Côte d’Ivoire (Vondrona E) nandresy an’i Équateur 1-0 tao Philadelphia Stadium. Ny baolina tokana dia avy amin’i Amad Diallo tamin’ny minitra faha-90, taorian’ny passe an’i Wilfried Singo. Vokatra manan-danja ho an’ny Éléphants amin’ny fiverenany 12 taona tsy nandraisany anjara. Ho an’ny Vondrona C, Maroc, nisaraka 1-1 tamin’i Brésil tao MetLife Stadium, New York. Vokatra tsara ho an’ny Atlas Lions izay mbola mitazona ny fanantenana. Tunisie izay anatin’ny Vondrona F kosa montsana 1-5 nanohitra an’i Suède tao Monterrey. Fidirana sarotra ho an’ny Carthage Eagles. Nifandona tamin’i Belgique kosa i Egypte alina, mbola mbola, raha hiatrika an’i France i Sénégal anio amin’ny 7ora, lalao isan’ny andrasan’ny maro. Algérie sy Argentine rahampitso amin’ny 1ora maraina, ary raha hifandona amin’ny Panama kosa i Ghana. Ny vokatra toy ny 0-0 an’i Cap-Vert sy Espagne, ny Côte d’Ivoire, ny lalao nasehon’i Maroc,... dia maneho fa afaka manao zavatra ny Afrikanina. Ny fanontaniana lehibe dia ny hoe : hanao ahoana ny fahafahan’ireo ekipa mitazona sy manitatra izany vokatra izany mandritra ny fifaninanana, ka hanome tantara vaovao ho an’ny kaontinanta manontolo ?
Toky R
Hotanterahina ny 19 ka hatramin'ny 21 jona