Mbola nahitana an'i Tendry, ilay nahazoana ny laharana fahatelo Tany Alzeria, nampiditra ny baolina faharoa tetsy amin'ny kianja Elgeco Plus ny sabotsy teo. Io andro io ihany saingy tetsy Ambohidratrimo no nitazonan'ny Tia Kitra an'ny Ajesaia tamin'ny isa 2 noho 2. Izany isa izany ihany koa no nisarahan'ny Zanakala sy ny CFFA tany Ampasambazaha. I Fabrice no namono ny baolina roa matin'ny Zanakala raha Santatra sy Bonnard kosa ny an'Andoharanofotsy. Fa ny baolina tena niady sy nahavalalanina dia ny fihaonan'ny USCAFOOT sy ny Fosa Juniors. Tena sahirana ry zareo Mahajanga na dia niezaka nanova aza i Franck Rajaonarisamba mpanazatra. Ary rehefa tsy nahafaty ry Tsiny sy Jean Yves dia i Lalane no nampi-tena nahazoan'ny Fosa ny isa tokana. Voatazon'ny Mama ihany koa tao antikotaniny n'y Elgeco Plus ( 1 noho 1) raha nandresy an'ny Dato 3 noho 2 tao Manakara ny 3FB Toliara. Isa tolana kodak no nandresen'ny COSFA an'ny Fanalamanga. Tsaramandroso Formation kosa teny Mahitsy dia nandresy 4 noho 3 ny ASA Nosy be.
Clément RABARY
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,
Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,
Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo
Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny