Namiratra indray ity mpilalao Malagasy ity ny sabotsy teo nandritra ny lalao nifandonan’izy ireo tamin’ny FC Sion teo amin’ny andro faha-23 amin’ny fifaninanam-pirenena ny Suisse. Namono baolina biray indray i Rayan, ary izy no nanokatra ny isa ho an’ny kliobany vao 62 segaondra nilalaovana. Daka alavitra avy amin'ny 30 metatra izay niafara avy hatrany tany anaty harato no nahafatesany ny baolina. Tsy nijanona intsony fa dia niafara tamin'ny score 5-1 ho an'ny Young Boys ny lalao faha-4 ho azy io, ka ny 3 tamin’ireo izay naha tompon-toerana azy, dia fandresena avokoa, ary baolina 2 no matiny. Niakatra vonjimaika ho eo amin’ny laharana faha-5 amin’ny isa 34 ny Youngs Boys raha ny FC Bale kosa no laharana voalohany vonjimaika amin’ny alalan’ny isa 40.
Toky R
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,
Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,
Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo
Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny