airtel

Sport

09-janv-2023

Sport

Roro Rakotondraibe "Tonga aty Ambatonapoaka ny omby"

Sample post image

Resy fa nahafaly ahy manokana ny endri-dalao nasehon'ny Barea teo amin'ny fidirana faharoa Raha nihaona tamin'ny Congo".

09-janv-2023

Izany no resaka nifanaovanay tamin'ny mpanazatra Roro Rakotondrabe Randrianjafintseheno. Nety hoy izy raha ny rindran-dalao nasehon'ny Malagasy teo amin'ny olon-droa na telo miaraka fa teo amin'ny fiarovana no somary sahirana kely rehefa miakatra ny sisiny roa an'ireo Kongole. Hatreto aloha hoy ihany ity mpanafika fahiny tao amin'ny FC BFV sy Scorpions ity dia mahavelom-bolo ny ho avy. Ity tsapa farany amin'ny alatsinainy Izany hihainana amin'ny Niger ity no heverinna hanitsiana ny lesoka, hoy Roro izay nanamarika fa nisaraka ady sahala samy tsy nitoko iza sy ny Sonegaly. Raha ny risimpon'ireto Barea ireto mantsy dia tena misy satria fantany fa ankoatry ny fiarovana ny voninahim-pirenena dia mba miady ho an'ny tenany koa izy ireo satria tsy maintsy ho tonga marobe any Algérie koe ireo mpitsirika mpilalao ho matihanina.. Sary mazava no nasehon'i Roro hoe ho avy any Ambatonapoaka koa ireo mpividy omby malaza .Hanao ny aina tsy ho zavatra noho izany ireto zandrikely ireo satria mbola eo dia eo koa ny faniriana ho lasa Barea A. Notsipihany ihany koa fa zava-dehibe ny fanajana ny fitsipika sy ny fahaizana miara-miaina amin’ny ekipa.

Nangonin'i Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap