airtel

Sport

06-mai-2024

Rugby - Amboaran'i Afrika

Nandresy Ladies Makis, Cameroun indray ny manaraka

Sample post image

Feno ny fety ho an'ny baolina lavalava ny sabotsy teo teo Andohatapenaka.

06-mai-2024

Hipoka ny olona ary feno dia feno ny hafaliana fa nandresy ny Kenya ny Ladies Makis.Sahirana teo am-boalohany ihany anefa ry Fenitra sy ny namany satria tena nanindry ny Kenya.Saika tao amin'ny tanin'ny Malagasy no nilalaovana nandritra ny antsasakadiny voalohany ary efa nitarika 12 noho 0 azy i Kenya vao nifoha tamin'ny torimasony ny Makis. I Olivia no nanindry ny baolina voalohany ary dia iny no nitarika nitondra hatrany amin'ny fandresena izay tsy njtsahatra raha tsy 29 noho 22. Mila mandresy ny Kamerone izany ny Ladies Makis raha te ho eo amin'ny laharana faharoa izay mandray anjara amin'ny fiadiana ny Amboara eran-tany eo amin'ny diviziona faharoa hatao any Durban . Ny voalohany kosa dia hiady ny tompondaka eran-tany any Angletera ny taona 2025. Toerana izay ho sarotra ho an'ny Makis no maka aza satria tena mafy ny Afrikanina tAtsimo izay hidona aminy mandritra ny andro fahatelo. Nahita ny tsy fahita aza ny Kamerone ny sabotsy teo fa resin'i Afrika Atsimo tamin'ny isa tena mavesatra 55 noho 0.Tena mafy izy sady manana aina, ary efa mipetraka ho fahazarana ho an'ireo mpilalao ny tekinika avo lenta.Hitohy ny alarobia izao moa ity fifaninanana ity ka ny Kamerone indray no hihaona amin'ny Ladies Makis. I Kenya kosa no hifandona amin'ny Afrikanina tatsimo.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap