airtel

Sport

01-déc-2023

Taranja Basket Ball

Nodimandry i Bomba

Sample post image

Hatairana ny tolakandron’ny omaly ny an’ireo mpankafy taranja Basket Ball.

01-déc-2023

Nodimandry i Herilanto Randriamanalina, fantatry ny rehetra tamin’ny fiantsoana hoe Bomba. Mpanazatra ny ASCUT na “Association sportive et culturelle de la commune urbaine de Toamasina” moa no nahafantarana azy farany nialoha izao fodiamandriny izao. Maro ireo klioba nilalaovan’i Bomba tanatin’ny fahatanorany toy ny tao Antsirabe sy Mahajanga. Efa nisalotra ny fanamian’ny Mad Consult sy Sebam ary io ASCUT izay noraisiny an-tanana amin’ny maha mpanazatra taty aoriana io. Efa nanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy zokiny lehilahy (Séniors hommes), nandritry ny lalaon’ny nosy 2015 tao La Réunion ary avy eo dia nitondra ny ekipam-pirenena latsaky ny 16 taona na U16 nandritry ny Afrobasket ny taona 2017. Efa nandrafitra ny klioban’i BBCM Analamanga, sokajy zokiny na “vétéran”, koa izy saingy na dia iny nampidirina haingana omaly tetsy amin’ny CHU-JRA Ampefiloha iny aza moa omaly ny lehilahy dia tsy nahatana ny ainy intsony izany. Mirary fiononana feno ho an’ireo mpankafy ity taranja ity hatrany sy ireo akaiky an’i Bomba ary ny fianakaviany manontolo moa ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap