airtel

Sport

08-juin-2023

Sport

Tennis- Amboara Billie Jean King Nandresy an’i Sénégal i Madagasikara

Sample post image

Mbola mitohy ny fampisehoana ataon'ireo tovovavy mpilalao tennis any Kigali mandritry ny fiadiana ny Amboara Billie Jean King Izay Sokajy faha IV.

08-juin-2023

Omaly ary dia i Sénégal indray no nataon'ny Malagasy nitondra faisana. Fandresena telo no azon'ny ankizy. I Mitia Voavy dia nampiondrika an'i Sokhna . Diatta (6/1 ; 6/1) Mialy Ranaivo kosa dia nanilika an'i Marietou André (6/1 ; 6/1). Teo amin'ny olon-droa miaraka dia nataon'i Narindra Ranaivo sy Harena Voaviandraina tsy nisotro rano i Lea Crosetti sy Sakhna Diatta (6/1 ; 6/1). Mihaona amin'ny Congo anio ny ekipa Malagasy ary hifandona amin'ny RDC ny zoma. Raha maharesy foana ny Malagasy dia manao famaranana amin'izay mandresy ny voalohany ao amin'ny tarika A. Raha mbola mandresy dia miakatra ao amin'ny Vondrona III amin'ny taom-pilalaovana manaraka.

Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap