airtel

Sport

30-août-2023

Voka-dalaon’ny Lalaon’ny Nosy

Mitarika ny Malagasy, manao be fiavy ny Maorisianina

Sample post image

Niditra tamin’ny andro fahaefatra omaly ny lalaon’ny Nosy tanterahana eto Madagasikara. Mbola mitazona ny laharana voalohany

30-août-2023

vonjimaika hatrany aloha I Madagasikara amin’ny alalan’ny medaly volamena 66, raha toa ka 33 ny volafotsy, ary 37 kosa ny alimo, izay manome 136 ny isan’ny medaly rehetra. Mihazakazaka mafy kosa anefa ny Maorisianina ka tafakatra laharana faharoa vonjimaika, nampiakatra avo roa heny ny isan’ny medaly volamena azony satria tafakatra 50 ny azy amin’izao, raha antsasak’izay tamin’ny andro fahatelo, ary 11 tamin’ny andro faharoa. Manatombo amin’ny isan’ny medaly izy izay efa manana 145 (50 volamena, 49 volafotsy, 46 alimo). Tany amin’ny fibatana fonjam-by sokajin-danja ambony, atletisma, ady totohondry, lomano,… no isan’ny nandraofany medaly. Eo amin’ny laharana fahatelo kosa I La Réunion izay manana medaly 129 (48 volamena, 43 volafotsy, 17 alimo). Fahaefatra I Seychelles manana medaly 54 (8 volamena, 29 volafotsy, 17 alimo), fahadimy I Maldives manana medaly 18 (3 volamena, 6 volafotsy, 9alimo), fahaenina I Mayotte manana medaly 19 (1 volamena, 7 volafotsy, 11 alimo), ary fahafito I Comores manana 13 (1 volamena, 4 volafotsy, 8 alimo). Samy efa nahazo medaly volamena izay tena mamaritra ny filaharana noho izany ireo Nosy rehetra mandray anjara.
Nangonin’I Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap