airtel

Sport

27-févr-2023

Sport

Volley-ball - Tompondaka Faritra faha 7 Tsara fanombohany ny Zandary

Sample post image

Nanomboka ny sabotsy teo tatsy Maorisy ny fiadiana ny tompondakan'ny Faritra faha 7 eo amin'ny volleyball. Misy

27-févr-2023

ekipa telo no misolotena an'i Madagasikara dia ny StefAuto ary ny Zandary' lahy sy vavy. Ireto farany izay ahitana an'i Eugénie izay isan'ny herin'ny ekipam-pirenena vehivavy dia nandresy mazava ny Cascade avy atsy Seychelles tamin'ny seta 3 noho 1 Marihina fa ny GNVB vehivavy izay sambany nandray anjara dia tompondaka lefitra teto Madagasikara raha resin'ny Stef'Auto. Eto amin'ny sokajy vehivavy ity anefa dia ho sarotra ny fandidiana satria manana ny hery rehetra handrombahana ny amboara ry zareo ao Maorisy amin'ny alalan'ny Quatre Bornes izay efa nisalotra intelo ny amboara telo farany. Eo amin'ny lehilahy indray dia mazava ny lalana hoan'ny Tampon Gecko avy atsy La Reunion.. Manana tombony ireto ary efa nandresy ny GNVB tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahatena Mahamasina tamin'ny isa mazava seta 3 noho 1. Asa anefa aloha izay hiseho fa mbola mandrafitra ny Zandary ao ry Mamizara ilay kely fa dada, mbola ao koa ilay libéro Tsiory sy ry Dino ary Andry Be.. Manantena zavatra ireto solontena malagasy ireto raha araky ny fanambaran'ny mpanazatra Tiana Andriamiasadon. Ny Stef'Auto indray dia efa ambolana maro no nanomanan'i Gildas Zafisambo azy na dia nisy vondrona iray aza teto Antananarivo ary iray hafa tany Toamasina. Mazava ny hivoahany ao anatin'ny vondrona C satria dia ahitana ny Oranges Club Sportif d'amitiés avy any Rodrigues, ny VC de Kanibe Mayotte ary ny Tampon Gecko Volley La Réunion. Ankoatry ireo ekipa malagasy dia ahitana mpilalao Malagasy koa any amin'ny tarika hafa Ao amin'ny Anse Royale ohatra no milalao i Melissa Rambony izay zabak'i Bao Monique ilay andrarezin'ny AS Port Basket-ball. Mbola any Seychelles ihany dia misy an'izany Michel Jean Rico Razafindravoara izany ao amin'ny tarika Neo Boys. Marihina fa ny lalao rehetra dia hatao ao amin'ny kianja mitafo Pandit Sahadeo Vacoas sy ao Ébène ao aminy kianja mitafo Navin Soonarane.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap