airtel

Sport

12-juil-2021

Sport

“World Rugby Junior Trophy” I Kenya no tafita, tsy nitsanga-menatra ny Malagasy

Sample post image

Resin’i Kenya tamin’ny mokafohy 21-20 ny ekipam-pirenena Malagasy Makis vehivavy sokajy latsaky ny 20 taona tamin’ny lalao farany amin’ny “Barthes Trophy U20” omaly alahady tany Kenya.

12-juil-2021

 Voatazon’ny Kenianina ny anaram-boninahitra azony tamin’ny taona 2019, ary izy ireo no hisolo tena an’I Afrika amin’ny “World Rugby Junior Trophy” hatao any Kenya ihany amin’ity taona ity. Tsy nitsanga-menatra, ary resy am-boninahitra kosa ny Makis, izay efa nandresy an’I Sénégal 34-03, raha toa ka 50-26 kosa no nandresen’ny Kenianina azy ireo ny volana jona. Efa resintsika 10-0 ihany koa anefa ny Kenianina. Amin’ny ankampobeny, ekipa 8 no mifanintsana ahazoana izay ho tompondakan’I Afrika amin’ny “Trophy Barthes U20”, saingy noho ny hamehana dia tsy afaka notanterahina tamin’ny taona 2020 izany, ary ekipam-pirenena telo ihany no nihazo an’I Kenya tamin’ity taona ity, dia i Kenya tompondaka farany sy Sénégal ary Maagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Afaka mahavita zavatra, ary tena afaka mifampitana sy mandresy ny vazaha ny Malagasy amin’ny hazakazaka

Card image cap
07-mai-2024

ny 3 jona izao isika no hihaona amin’ny Kaomoro, izany hoe 1 volana latsaka sisa,

Card image cap
06-mai-2024

Feno ny fety ho an'ny baolina lavalava ny sabotsy teo teo Andohatapenaka.

Card image cap
06-mai-2024

Nanomboka ofisialy ny sabotsy 04 mey teo ny « Tourno Firaisankina »

Card image cap
06-mai-2024

Herintaona aty aorian’ny nivarinany tao anatin’ny Ligue 2, voahosotra ho tompondakan’ny Ligue 2,

Card image cap
06-mai-2024

Misaona indray ny tontolon'ny baolina kitra fa nodimandry teo amin'ny faha 61 taonany i Betanana

Card image cap