ho an'ny zon'ny vehivavy ny Fikambanana Destiny tarihin'ny vadin'ny Ben'ny tananan'ny kaominîna Ivato Rtoa Randrianarisoa afak'omaly Sabotsy 07 Martsa. Teny amin'ny tranom-pokonolona Ankadindravola Ivato no nanamarihany izany niarahany tamin'ny vadin'ireo Filoha telolahy mpiara-mitantana eo anivon'ny Repoblikan'ny Fanavaozana. Nambaran'ny Filohan'ny fikambanana Destiny fa sambany hatramin'izay no nisy vadin'ny Filoham-panjakana nanotrona ny hetsika notanterahin'izy ireo izay noraisiny ho tena zava-dehibe tokoa. Faly izahay hoy izy izay sady mbola notronin'ny Lehiben'ny Faritra Analamanga Rtoa Raharinirina Clémence ihany koa teo an-kilany. Narahina fizarana fanampiana ho an'ireo vehivavy sahirana miisa 400 manerana ireo Fokontany 13 isa mandrafitra ny kaominina Ivato izany nahitana fotsim-bary sy kojakoja fampiasa amin'ny fiainana andavanandro. Fantatra moa fa avy amin'ny vadin'ireo Filoham-panjakana telolahy sy ny vadin'ny Ben'ny tananan'ny kaominîna Ivato ireo fanampiana ireo ho fitsinjovana ireo vehivavy marefo. Ho an'ny Lehiben'ny Faritra Analamanga kosa dia nambarany fa maro ireo fikambanam-behivavy nangataka fanampiana taminy ka natombony tany amin'ny distrikan'Ankazobe, Anjozorobe ary Andramasina izany omaly Alahady 08 Martsa.
Pati
Légende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana !
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»