airtel

Actualités

13-nov-2024

100 miliara Ar hividianana solika 3 volana

« Hahavitana angovo mahaleotena ho an’ny 35 000 tafo »

Sample post image

1 miliara ariary isan’andro hono no lany amin'ny solika fanampiny!!! Dia ireo atolotra

13-nov-2024

anareo ireo ary ireo orinasa mpivarotra « panneau » sy batterie Lithium izay isan'ny tsara indrindra. Ny « panneau » moa dia misy garantie 30 taona. Jereo tsara fa manome 0,2 dolara (900 Ar) izany ny WATT. Raha miampy ny « convertisseur » sy ny « batterie de securité » sy ny fitaterana dia manome 2000Ar eo ny Watt farafahabetsany. Izany hoe raha 100 miliara ariary isaky ny 3 volana izany no lany amin'ny solika fanampiny dia mety hahavita 35 000 tafo isaky ny 3 volana ny firenena amin'io fandaniana miompampana io (1400 Watts isan-tokantrano isan’andro). Tsy misy haban-tseranana ny kojakoja Solaire. Aoka tsy hanao bizina manara penitra. Ireo ny laharana azo antsoina sy ny porofo. », hoy ny fanehoan-kevitr’i Tahina Razafinjoelina omaly, mikasika ny vahaolan’ny delestazy amin’ny alalan’ny fandanian-tsolika sy vola mihoampampana atolotry ny Fanjakana. Iray volana teo izay no efa nanehoany, fa 300 000 tafo eo ny eto Antananarivo ka ny antsasak’izay no misitraka jirama. 1500Watts hatramin’ny 3000Watts no ilain’ny tokantrano tsirairay. 2500Ar ny 1Watt ka 7 500 000 Ar eo izany ny vidin’ny herinaratra. Marina fa mety hoe : tsy manana an’izany, fa andao haloan’ny olona 36 volana, hatokisana ny vahoaka, ka ny vola aloa any amin’ny Jirama no handoavana an’io, fa azony ny « panneaux solaires » miaraka amin’ny « batteries » amin’ny 100 000Ar hatramin’ny 200 000Ar isam-bolana. Raha ambany no tadiavin’ny mponina, dia azo ampifanarahana amin’izany, fa ny tena olana amin’izao anefa, dia ny tsy fahampian’ny « capacité » an’ny Jirama hanome fahafaham-po ny olona, ka raha ny antsasaky ny 300 000 tafo no manana angovo mahaleotena isan-tokantrano, dia efa mihena antsasany izay ny vesatra. Isan’ny tetikasa entiny ho an’ny kaominina io, ka hatomboka amin’ny 2000 tafo. 160 tapitrisa euros ny teleferika, eto Antananarivo 160 000 tokantrano, ka mahavita « solaires » ny tokantrano eto Antananarivo izany, raha ny ohatra noraisiny, ka nilazany fa tsy mety io, saingy tsy midika fa handrava ny zava-misy i Tahina Razafinjoelina, izay maneho foana fa ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap