Maneno be ankehitriny ity raharaha Raissa ity, hoy izy. Midera ny fitsarana sahy namoaka ireny fanapahan-kevitra ireny satria resaka vola kely tsy misy dikany daholo foana hatramin’izay no voaresaka amin’ny haino aman-jery hoe tratra fa tsy ny trondro vaventy. Isan’ny tambazotra goavana io ravan’ny fanjakana io satria fantatra tsara ny toeran’izany Raissa izany teto amin’ny firenena. Isan’ny nahafantarana azy ny resaka kianjan’Anosizato. Tao ambadik’ireny i ramatoa Raissa. Ny zaridainan’Antaninarenina, ny CEG Analamahitsy, ny vahoakan’i Fenoarivo koa. Efa marobe ny fitoriana momba an’i Raissa sy ny manodidina azy hatramin’izay raha ireo fotsiny. Mankasitraka ilay sazy enjana izahay. Izay eo ihany fa ilay resaka 2,5 miliara Fmg na 500 tapitrisa Ariary koa ilana fanadihadiana be dia be. Tsy misy banky ao am-ponja ka hoe i Raissa avy ao am-ponja no namoaka ilay vola avy ao. Ilaina fanadihadiana hoe iza daholo no tambazotra manodidina io resaka 2,5 miliara io? Heloka toy ny ahoana no nandoavana ilay 2,5 miliara? Manainga ny Bianco hanao ny asany. Miantso ny mpitsara sy ny SMM hatramin’ny minisiteran’ny fitsarana koa ho sarotiny amin’ny asany. Isan’ny handray anjara be dia be amin’io ady amin’ny kolikoly io ny Hafari malagasy amin’ny maha fiarahamonim-pirenena azy. Ny lojika dia tokony hiaingan’ny fanadihadiana aloha izany i Raissa satria tsy tokony afaka hiresaka toy ireny izy raha avy ao am-ponja. Niainga avy aiza izany ilay vola? Iza no nitondra ilay vola? Nankaiza marina ilay vola? Mino aho fa tsy tany am-ponja ny lehiben’ny fampanoavana na PG izay isany notononiny. Toy izany koa ny sekretera jeneralin’ny fitsarana. Sao dia ilay olona nampitondrany ilay vola no nanapoaka ilay vola dia avy eo izy manonontonona ny anaran’ny mpitsara fotsiny nefa izany tena saropady ary fahasahiana lehibe ny fanonontononan’i Raissa izany satria tsy nihaona tamin’ireo olona ireo, hoy hatrany ny filohan’ny Hafari malagasy.
J. Mirija
Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,
Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,
Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,
Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément
Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy
Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.