airtel

Actualités

16-sept-2025

3 taona nisesy

Nitrangàna fahamaizana indray i Mananjary

Sample post image

Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao maro ity afo be ao

16-sept-2025

Mananjary, 3 taona nisesy ity izao. Nitrangàna fahamaizana indray ny tanànan’i Mananjary omaly, raha ny angom-baovao voaray. Renivohi-paritra na «chef lieu de région» eto no resaka. Manana sampana mpamonjy voina na «pompier» ve sa tsia ao, hoy ny fanontaniana napetraky ny mpisehatra politika, Patrick Raharimanana? Mbola any ve ireny siterin’ny BNGRC ireny, hoy izy? Misy «pompier» miisa 2 ao fa ny hoe miasa sy ny tsy miasa no mampametra-panontaniana, hoy ny fanehoan-kevitra. Misy mpaka rano an'ny Tozzigreen koa ao. Mbola misy an'ny minisiteran’ny asa vaventy ihany koa ary mbola azo atao ny mampiasa «môtô pompe» na fitrohan-drano ka ny ranomasina no trohina raha ohatra ka tena tsy ampy ny rano. 3 taona nifanesy izay, misy firehetana fona ao Mananjary. Manginy fotsiny ny rivodoza sy ny tariny fa dia naninona an-janahary loatra ary ilay Vatovavy sy Fitovinany, hoy hatrany ireo fanehoan-kevitra voahangona?
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap