ny tompon'ny sampam-panabeazana tsy miankina amin’ny fanjakana iray ka notoherin'ny fokonolona izany. Nahangona sonia maherin’ny 300 isa ny marainan’ny savorovoro fotsiny ny fokonolona manodidina, raha fampahafantaran’izy ireo teny an-toerana. Nanazava moa ny solontenan’ireo fokonolona fa misy fitaovana toy ny bizo izay fivarinan'ny rano ao ambanin'io toerana io no sady efa nifanarahan'ny fokonolona fa toerana tsy azo hanorenana. Efa fanindiminy amin'izao, hoy izy ireo, no nisy olona nikasa hanangana teo amin'ity toerana ity saingy tsy nahavita nanohy noho ny fandavan'ireo mponina. Manahy izahay, hoy hatrany ny solontenan’ireo mponina, fa misy kolikoly ao ambadiky fanomezana alalana hanorina amina toerana toy izao. Nilaza kosa ny mpitantana ilay toeram-panabeazana izay mikasa hanao fanorenana eo amin’ity toerana ity fa novidiany tamin'olona io tany io ary nahazo alalana na "autorisation" tamin'ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra izy amin'io fananganana kasainy atao io. Sekoly no ambony ary atao tokontany filalaovan'ny mpianatra ao ambany, hoy izy. Araka ny fampitam-baovao voaray farany moa dia niafara tamin’ny fanaparitahan’ny mpitandro filaminana ny fitangorongoronana tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso ny savorovoro teny an-toerana, omaly tokony ho nanomboka tany amin’ny 2 ora sasany tolakandro tany ho any.
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny