airtel

Actualités

28-mai-2025

Haintrano mahatsiravina teny Tsarahonenana

Olona 1 kila, trano 12 may, fositra ny krizin-drano mandavan-taona

Sample post image

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

28-mai-2025

Tafakatra 12 ny trano may. Vokany, may kila forehitra tao amin’ny toeram-ponenany iray isan’ny nifindran’ny afo ny Raim-pianankaviana iray 75 taona narary tao an-trano. Hotohoton’ny afo tsy nisy nahafantarana azy intsony izy io. Niezaka namonjy azy ny vadiny, saingy tsy nahavita izany hatramin’ny farany sy naratra, ka efa nentina notsaboina any amin’ny Hopitaly. Sady mivaron-kazo no mahandro amin’ny afo kitay, efa fahamaizana faharoa fa ny tamin’ny voalohany dia avotra, hoy ny fianakavian’ny niharan-doza. Nomarihin’ireo mponina sy ny fianakaviana traboina fa tsy misy rano, fa rano vidiana amin’ny 500Ar ny iray bidon ny eny an-toerana, ka izay kely teo no nampiasaina. Efa 2 taona teo no tsy nisy rano, niharitra fahatapahana, hoy izy ireo. Nomarihin’ireo mponina ihany koa fa tara ny mpamonjy voina tena nitondra rano, bonbonne tany Mahatazana no isan’ny nampiasaina. Raha tsy tapaka ny rano voafehy satria tsy latsaky ny 500 ny olona nifanampy teo, hoy ny fianakavian’ny lasibatra. Tery ny làlana, tara vao tonga ny mpamonjy voina. Teny amin’ny Mikoja no naka rano, kanefa kely ny tosika, hoy kosa ny avy amin’ny mpamonjy voina. Nilaza hitory moa ny fianankaviana namoy havana ary tsy hanaiky raha tsy mizaka ny sazy faran’izay henjana ny tompon’ilay fivarotan-kazo nitera-doza satria tsy vao sambany izao, fa ny tamin’ny voalohany voasoroka araka ny voalaza etsy ambony, fa ity niafara tamin’ny famoizana aina sy fahapotehana fananana tsy roa aman-tany. Voaporofo ihany koa tamin’ity tranga ity ny fiantraikan’ny olana ara-tsosialy tsy voavahan’ny Fanjakana hatramin’izay dia ny olan’ny rano eto Antananarivo izay fihesehoana no betsaka, fa tsy vahaolana. Anisan’ny toerana nandrenesana fitarainana betsaka indrindra rahateo ny eny amin’ny Boriborintany faha-5 ary lohalaharana i Tsarahonenana izay efa im-betsaka nidina an-dalambe noho ny olan’ny rano, saingy tsy misy mpiraharaha. Tsy eny Tsarahonana ihany, fa saika manerana an’Antananarivo ny toe-javatra tahaka izao hoe : raha sanatria misy firehetana dia sarotra ny famonjena sy famonoana afo no tsy fisian’ny rano, tsy fahampian’ireny antsoina hoe : « bouches d’incendie » ireny ary na misy aza zara raha misy rano mandeha aminy,… Asa rahoviana vao mba tena hojerena sy ho vahana ny olana isan’ny stratejika tahaka itony na ny aro loza io na ny tsy fahampian’ny rano hosotroin’ny vahoaka mihitsy ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Na dia hita ho toy ny lasa «fanalàna», araka ny fitenin’ny tanora,

Card image cap
05-juin-2025

Kaominina miisa 7 ahitana an’Ambatomena, Ibity, Maneva, Ankaromalaza Mifanasoa, Vohitsaoka,

Card image cap
05-juin-2025

Nanatanteraka ny diaben'ny fahaleovantena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra rivo-baovao ny AXCEL COMPANY

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra tombony 18 miliara Ariary ho an’ny fanjakana Malagasy ny fananany

Card image cap
05-juin-2025

Tontosa omaly tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina na ny Tranoben’ny varotra sy indostria

Card image cap