airtel

Actualités

25-juin-2025

Fahoriana efa mila handeha isan'ora

Fa lasa fady eto ve ny fisaonam-pirenena e ?

Sample post image

Triatra ny fo, hoy ny renim-pianakaviana iray, mahita ireto mpiray tanindrazana mifandimby

25-juin-2025

mamoy aina any amin’ny hopitaly vokatry ny fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo. Fahoriana efa mila handeha isan’ora ity, hoy izy, fa tsy isan’andro intsony. Velom-panontaniana ny olompirenena. Na ny ao Mahajanga, izay namoizana ain’olona miisa 3, na ny ao Amoron’Imania, izay namoizana ain’olona 11 tao amin’ny hopitalin’Ambositra hatramin’ny fotoana nanoratana izao lahatsoratra izao omaly, na ny ao Toamasina, indrindra moa fa ny niatombohany dia ny tao Ambohimalaza, Imerinkasinina, izay namoizana ain’olona be indrindra, izay mampametra-panontaniana mihitsy hoe sanatria hanatratra ny isa 30 ve, dia samy nampanjombona ny tontolo iainan’ny atao hoe malagasy miaina eto amin’ity firenena ity sy mbola mizaka madiodio izany zom-pirenena malagasy izany amin’izao fotoana izao? Gaga ny maro hoe efa izany rehetra izany no mitranga ankehitriny fa mbola tsy hisaonana ihany! Mitotaly 39 izany hatreo no isan’ireo namoy ny ainy. Firifiry tokoa nefa moa ny tranga niandrasana fisaonam-pirenena tao anatin’izao fitondràna izao saingy tsy nety nahitàna izany mihitsy teto amin’ity firenena ity tao anatin’izay 7 taona izay? Miverimberina hatrany ny fanontaniana izay mbola tsy misy mamaly araka ny tokony ho izy hatramin’izao. Fady misaona ve ilay fitondràna?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap