airtel

Actualités

25-juin-2025

TSENABE FIVOARANA AO ARIVONIMAMO

Hanampiana ireo vahoaka eny ifotony tsy an'asa

Sample post image

Ny tsy fananan'asa no anisan'ny fototra miteraka ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

25-juin-2025

Ny 70%n'ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika tokoa mantsy dia fantatra fa tsy an'asa avokoa hany ka manao asa tsy mifanaraka amin'ny fari-pahaizana hananany. Voakasik'izany avokoa na an-drenivohitra na ambanivohitra, antony hisian'ilay Tsenabe Fivoarana ao Arivonimamo, izay nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Talata 24 Jona. Haharitra 5 andro ny hetsika. Tanjona raha araka ny fanazavan'ny depiote voafidy tao Arivonimamo Rajerison Antoine ny. hanomezana asa ireo olona eny ifotony. Lohalaharana amin'izany ny fiofanana maimaim-poana omena azy ireo isan'andro toy ny fiompiana trondro, ombivavy be ronono, akoho manatody lava....Rehefa misy mantsy ny asa raha ny nambarany dia afaka mamelon-tena ny olona, mampiana-janaka....Ankoatra izay dia hanampiana ireo tantsaha mpamokatra mpandray anjara ihany koa ny fitadiavana lalam-barotra entina hanatsarana ny fari-piainan'izy ireo. Aorian'Arivonimamo moa dia mbola ho entina any Manalalondo sy Mahitsy ny Tsenabe Fivoarana. Tsy ho diso anjara ihany koa ny any amin'ny Faritra.
Pati
Légende : Nandritra ny fanokafana ny tsenabe Fivoarana omaly !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap