airtel

Actualités

25-juin-2025

Nanda ny fiampangana azy i Fernand Cello

Hivoaka ny 01 jolay ny didy, mbola misy fanenjehana hafa…

Sample post image

Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha iray anenjehana an’i Fernand Cello,

25-juin-2025

izay Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena momba ny fandraharahana ny fonja na ENAP Atoa Désiré Razafintsalama no mpitory, raha ny fantatra tao amin’ny Fitsarana omaly. Famoaham-baovao sy fanairana mikasika ahiahina trangana kolikoly tamin’ny fifaninanana ho mpandraharahan’ny fonja no antony, ka vesatra hanenjehana an’i Fernand Cello ny fanalam-baraka tompin’andraikitra ara-panjakana, fanakorontanana ny filaminana anatiny, fanakorontanana ny governemanta,… Isan’ny nanaovany fanairana tao anatin’io ny Minisitry ny fitsarana, narahina sary fanehoana samihafa, ka isan’ny tao ny an’ny Tale Jeneralin’ny ENAP. Nanda hatramin’ny farany ny fiampangana azy kosa ity mpanao gazety ity. Nilaza teo anoloan’ny Fitsarana fa raha misy tompon'andraikitra mahatsiaro ho voakasika na voatonontonina, dia manana zo hanao fandisoana na "démenti". Hatramin'izao tsy nisy an'izany, hoy izy. Nitatitra ny fitarainan'ny olona araka ny loharanom-baovao azoko. Tsy nisy olona voatononina manokana, sary fanehoana, tsy nisy fanamarihana hoe ity ny olona nanao kolikoly », hoy i Fernand Cello. « Tsy nanana eritreritra hanakorontana saim-bahoaka. Andraikitra amin'ny maha mpanao gazety, nitatitra, nanaitra, tsy nieritreritra ny hanakorontana, fa raha te hanao izany dia ny horonam-peo azoko no naparitako », hoy hatrany ny ampahan’ny fiarovan-tenany. Tsy tonga nanatrika ny fitsarana ny mpitory, saingy nambaran’ny solontenan’ny fiarovany fa voahitsakitsaka ny hasin’ny mpitory, potika ny lazany, ary voahosihosy ny voninahiny. “Tsy nisy fanalam-baraka, tsy nisy anarana notononina, fa ‘institution’ no resahina. Tsy azo lazaina ho vesatra mazava io.”, hoy ny mpisolovavan’i Fernand Cello, Me Rajaonarison Santa Navalona niantso fahafahana madiodio. Nosokajiany ho fanohitontohinana ny mpanao gazety tsy hanao asany, tsy hanao fanairana, ka manohintohina mivantana ny fahalalahana hiteny.

MAFIMAFY NY FITAZONANA, MISY TSINDRY ?
Nanamafy ny mpisolovava rehefa nitafa tamin’ny mpanao gazety fa tsy nipoitra tany amin’ny fampanoavana na teny amin’ny « audiencee ny mpitory. Misy ny “Asymétrie de la procédure” izany, ilay mpitory dia «dépositaire de l’autorité publique» olona ambony, ka misy fiantraikany na « influence » eo anatrehan’ny fitsarana ve? hoy ny fanontaniany. Nambarany ihany koa fa tamin’ny 19 mey dia efa niteny ihany koa io mpitory io fa misy korontana, misy tsy metimety loatra ny valim-panadinana ao amin’ny ENAP, kanefa tsy nitondra fanazavana mazava tamin’ny dosie Fernand Cello. Nanipika ny mpisolovava fa nanomboka tamin’ny fisamborana dia efa nisy “traitement dégradant”, mbola mafimafy ihany koa ny any am-ponja. Na izaho aza, hoy izy, tamin’ny nitsidika azy tany am-ponja nampifilafilaina, nampiandrasana, nolazaina fa tsy maintsy misy mpandraharahan’ny fonja manatrika eo saingy nanda izany fa ny mpisolovava tsy mila atrehina olon-kafa rehefa miresaka amin’ny olony arovany any am-ponja. Naneho fahafaham-po amin’ny fiarovana izy, fa any amin’ny fitsarana ny teny farany. Nolavina ny fangatahana famotsorana vonjimaika, ka ny 01 jolay no hivoaka ny didy. Miisa efatra eo moa ny raharaha miandry an’i Fernand Cello, ary mbola hiatrika fitsarana amin’ny 11 jolay koa. Ho tafavoaka ve izy sa halentika ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap