Na dia efa herinandro maromaro nivangongoana teny Anosibe niharetana fofona maimbo sy tabataba aza mantsy izy ireo dia herim-po very maina fotsiny izany. Maina ny tsena raha ny fitarainan'ireo mpivarotra na dia tamin'ny andron'ny omaly Talata 24 Jona. Efa naidin'izy ireo ho 1.000 Ar anefa ny iray amin'ny arendrina raha 4.000 Ar no lafo indrindra hoy ny mpivarotra iray amin'ireo karazany misy kisarina Princesse....saingy mbola tsy misy mpividy firy ihany. 10 isan'andro raha betsaka no vidian'ny olona saingy mbola amin'ireo karazany madinika fanao eny am-baravarankely...ihany koa. 500 Ar mantsy no vidin'ny iray amin'izy ireny. Mafy anefa ny asa fanamboarana arendrina hoy ny mpivarotra iray raha isan-taona ihany koa fa azo hamidy izy ireny. Manampy trotraka izany ny fiakaran'ny vidin'ny akora toy ny loko, ny taratasy...Mikasika ny tsenan'ny arendrina vita Sinoa indray dia fantatra fa mbola tena manjaka sy tian'ny olona izy ireny. Misy mahatratra hatrany amin'ny 50.000 Ar anefa ny iray raha mahatratra an'hetsiny kosa ny laser maitso.
Pati
Légende : Maty antoka ireo mpivarotra nampiasa vola tamin'ny arendrina !
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»