efa depioten’i Madagasikara teo aloha ny tenany, ary ny volana mey 2021 no voatendry sy nandray ny asa maha medioatioran’ny Repoblika izay voafaritra fa taom-piasana 6 taona. Zanaka Lahimatoan’ny Filoham-panjakana teo aloha Norbert Lala Ratsirahonana moa ny tenany. Tsy mbola fantatra mazava ny anton’ny fodiamandriny tamin’ny ora nanoratana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny asa iandraketan’ny Mediatioran’ny Repoblika manelanelana eo amin’ny olom-pirenena sy ny fitondram-panjakana. Izy dia andrim-panjakana mahaleo tena, ary tsy mitanila, natao hiaro ny zon’ny olom-pirenena amin’ny raharaha sy fandraisana fanapahan-kevitra ataon’ny fitondram-panjakana. Mampihavana sy manalefaka ny fifanolanana eo amin’ny olom-pirenena sy ny sampan-draharaham-panjakana (toy ny minisitera, kaominina, prefektiora, sns), mandray fitarainana avy amin’ny olom-pirenena izay mahatsapa ho navadika rariny, na natao tsy rariny teo anivon’ny fitondrana,…
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»