airtel

Actualités

27-mai-2025

Angovo sy herinaratra tsizarizary

Lasa fanilihana ny delestazy koa ny masoandro

Sample post image

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

27-mai-2025

izay niteraka fidinana an-dalambe sy fandorana kodiarana tamin’ny toerana maro, saingy mbola mihamafy ny fahatapahan-jiro. Nanamafy indray ny Jirama omaly niaraka tamin’ny fampahafantarana ny fandaharam-pahatapahana sy ny lisitry ny toerana efa ho an’arivony fa ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny rano ao Andekaleka no tena fototry ny famokarana herinaratra eto Antananarivo. Io famokarana io dia miankina amin'ny haavon'ny rano. Mihena ny rano ary tsy ampy ny vokatra ho an’Antananarivo, hoy ny Jirama. Ankilan’izay, iaraha-mahalala fa efa miditra ao anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina isika, mihena arak'izany ihany koa ny vokatra herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro, hoy hatrany ny Jirama. Noho izany, voatery mampihatra ny fahatapahan-jiro mifandimby ny Orinasa JIRAMA mba hampifanaraka ny famokarana misy. Marihina fa mety hisy fiovana miandalana ity fandaharana ity araky ny fivoaran'ny toe-draharaha, hoy io orinasa io, izay heverina fa efa fanomanan-tsaina fa mety tsy ho arakaraka ny vina sy programam-pahatapahana no hitranga. Zary efa izany rahateo, ka raha ora roa na telo no faritana fa faharetan’ny fahatapahana dia mety ho tafakatra avo roa na telo heny. Mahatratra ora 6 na mahery isan’andro ny fahatapahana eto Antananarivo. Sady mahatsikaiky no mampalahelo no manirikiry ny mpampiasa herinaratra ny fampidirina ny ririnina ho isan’ny lasa ala olana amin’ny fahapatahan-jiro ihany koa, izay tena tsy fahita tao anatin’ny 60 taona, araka ilay fomba fiteny. Vao ririnina izao dia efa atao ala olana ny rano kanefa mbola ho lava ny lohataona, ary mbola nolaroina resaka masoandro. Eo ny fitanisana olan’ny rano sy olan’ny masoandro lava fa ny tena ahiana dia ny delestazy ekonomika vokatry ny tsy fandoavan’ny Fanjakana ny volan’ireo mpamatsy herinaratra avy amin’ny tsy miankina. Efa notaterina teto ny faran’ny herinandro teo fa 2ora isan’andro sisa no mandeha ny herinaratra any Manakara noho ny olana eo amin’ny Jirama sy ny tompon’ny milina. Misedra fahatapahan-jiro faobe ny tanànan’Antsiranana amin’izao fotoana izao izay nolazaina fa noho ny olana ara-teknika ao amin'ny toby famokarana herinaratra any an-toerana. Nolazaina fa efa manao ny fitsirihana ny fahasimbana ny teknisianina ary manao ny ezaka rehetra hamerenana ny famatsiana herinaratra. Ampahany ireny, fa saika manerana ny Nosy olana. I Antsiranana izay vao nanaovana fampanantenana maro nandritra ny dian’ingahy Rajoelina tany Nosy Be Hell Ville. Betsaka ireo fihariana na vaventy na salantsalany na madinika izay miankina amin’ny herinaratra no lasibatra, izay tena mampikorosy fahana ny toekarena. Stratejika ny angovo sy herinaratra saingy tsy mitsahatra mikoroso fahana. Ny vahaolana no tsy misy sa ny Fanjakana no tsy mahomby ?
Toky R
.
 

Dans la même rubrique

25-juin-2025

Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha iray anenjehana an’i Fernand Cello,

Card image cap
25-juin-2025

Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny atrikasa nandinihan’ny teo anivon’ireo

Card image cap
25-juin-2025

Triatra ny fo, hoy ny renim-pianakaviana iray, mahita ireto mpiray tanindrazana mifandimby

Card image cap
25-juin-2025

Niamboho omaly ny Me Lala Ratsirahonana, Mediatioran’ny Repoblika. Mpisolovava,

Card image cap
25-juin-2025

Mafy ny mahazo ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy.

Card image cap
25-juin-2025

Ny tsy fananan'asa no anisan'ny fototra miteraka ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Card image cap