airtel

Actualités

25-avril-2023

Actualités

67 ha sy ny manodidina Lehilahy iray tratra nivarotra « cocaïne »

Sample post image

Lehilahy iray 36 taona mpivarotra "cocaïne" eny amin'ny faritra 67 ha sy ny manodidina iny no tra-tehaky ny polisy

25-avril-2023

nanao fanamiana sivily avy ao amin'ny sampan-draharaha miady amin'ny zava-mahadomelina Anosy ny Alakamisy 20 aprily teo . Tao amin’ny toeram-ponenany no tratra ity lehilahy ity tokony ho tamin'ny 02 ora folakandro. Hivoaka hivarotra zava-mahadomelina ity farany no nifanehitra tamin'ny polisy ka dia noraisim-potsiny avy hatrany. Rehefa natao ny fisavana azy dia nahitana rongony mahery vaika : "COCAÏNE" milanja 0.23 grama ary mizana fanandajana izany teny aminy . Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ary noentina teny amin'ny birao ny Polisim-pirenena misahana izany atao fanadihadiana. Teo no nahafantarana fa ireo olona eo amin'ny manodidina ihany no mpanjifa sy mpividy ao aminy araka ny voalazany . Natolotra ny fampanoavana omaly ny anaolahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap