hoy ny ADS na Abattoir Dynamique Solidarité. Indrisy anefa, hoy ny filohan’izy ireo, Lova Andrianjaka, fa nandeha ihany izany fifidianana izany. Efa fantatra hatramin’ny voalohany, ny olona mpiaradia amin’ny fitondrana nanjary lasa nanohitra azy. Nanjary lasa misy lonilony. Tahaka izany koa ny mpanohitra. Rehefa manohitra toa manohitra sadasada tsy hita be eny ihany. Mifamahofaho be ny toe-draharaha. Tsy dia mahagaga raha misy ny savorovoro. Tokony hampihatra ny tena mangarahara tanteraka ry zareo eo amin’ny fitondrana, araka ny tena safidin’ny vahoaka tena nandray anjara tamin’ilay fifidianana. Tahaka izany koa ny aty amin’ny fanoherana hoe rehefa vahoaka nifidy anareo tokoa dia hampiteneno! Mitodika any amin’ny HCC hoe aoka hanjaka ny rariny sy hintsiny! Antsoina manokana ny filohan’ny HCC mba tsy hanara-drenirano ilay hoe tsindry fa mba valim-pifidianana marina mangarahara no avoaka. Betsaka ireo nangataka fampitahana sy fitadiavana ny marina rehetra ka aoka ny tena safidim-bahoaka isaky ny distrika marina no tena hiseho mba tsy hisian’ny korontana intsony aorian’ny fifidianana! Ny antony hivorivorian’ireo herivelona politika tahaka ny Firaisankina any amin’ny biraony sy ireo herivelona sasany any amin’ny misy azy avy any izao dia ho fikatsahana izay tena fahamarinana izay. Aoka mba ho ny tena fahamarinana no hivoaka, hoy hatrany ny ADS!
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny