airtel

Actualités

14-déc-2023

Ady amin'ny famotsiam-bola

Nekena ilay tolo-dalàna, fa ahoana ny tohiny ?

Sample post image

Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana omaly 13 desambra 2023 teo

14-déc-2023

anivon’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna laharana faha- 022/2023 tamin’ny 04/10/2023 « modifiant et complétant certaines dispositions de la loi n° 2018-043 du 13/02/2019 sur la Lutte Contre le Blanchiment de Capitaux et le Financement du Terrorisme », araka ny tatitra avy amin’ny Antenimierampirenena. Niatrika ny Solombavambahoaka ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Rtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, nitondra ny fanazavana ara-politika, ara-tekinika ary ara-tsosialy ny antony nitondrana fanovana sy famenoana ny andininy sasantsasany tamin'ny lalàna laharana 2018-043 tamin'ny 13 Febroary 2019, mikasika ity lalàna momba ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin'ny asa fampihorohoroana. Nentin’ny teo anivon’ny Governemanta mba hahafahana mameno ny efatra amin’ireo tolo-kevitra enina lehibe natolotrin’ny GAFI (Groupe d’Action Financière) ka hanatsarana ny lalàna efa misy sy hanamafisana ny paikady entina hiadiana amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiana ny asa fampihorohoroana io volavolan-dalàna io. Ny vondron’ny mpandraharaha Malagasy eto Madagasikara na GEM no isan’ny efa naneho fa tsy azo hihodivirana io mba ho antoka amin’ny fanatanterahana ny fanatsarana 40 fanatsarana na « recommandations » an’ny GAVI. Ny tanjona, amin’ny lafiny lalàna, dia ny fampifanarahana amin’ny lalàna iraisam-pirenena ka tsy ahatafiditra an’i Madagasikara ao anaty « liste grise » ; amin’ny lafiny politika dia ny hanehoana ny fahavononana hiady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampirohorohoana ; ary amin’ny lafiny toekarena dia ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana ka hisian’ny famatsiam-bola. Tena manam-piniavana hiady amin’ny kolikoly ve i Madagasikara sa mba famenoana ireo dingana sy fepetra takian’ny mpiara-miombon’antoka fotsiny mba hahazoana vola? Tena misy ve ny finiavana miainga avy any an-tampony sa ny manam-pahefana sy ny mpitondra mihitsy no zary fositra ka manaraka an’izay ny aty ambany araka ilay hoe : miainga avy any ambony ny ohatra ? Tena eo ambany lalàna ny rehetra sa izay tiana hasiana ihany no voa ? Isan’ireo firenena azo sokajiana ho ratsy toerana amin’ny ady amin’ny kolikoly i Madagasikara, izay any amin’ny laharana faha-142 amin’ny Firenena 180, ary zara raha 26/100 ny salan’isan’i Madagasikara. Isan’ny mason-tsivana jeren’ny mpampiasa vola sy mpiara-miombon’antoka io miaraka amin’ny lafin-javatra hafa toy ny fitoniana ara-politika, fandriampahalemana, ny tontolon’ny angovo,… mialohan’ny hisitrahana famatsiam-bola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka na ho an’ireo mampiasam-bola te hisehatra eto Madagasikara.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap